Raha mamaky ny Blog de Rasamy ianao dia hahita ireo toerana fitsangatsanganana mahafinaritra eto Madagasikara. Eto amin'ity bilaogy ity indray dia mba tanàna hafa tsy fanaovana fizahan-tany indray no tantaraina eto. Ka hanombohako izany dia ny tanàna nandaniako ny fahazazako sy ny fahatanorako ka ireharehako dia tsy aiza akory izany fa ao Manjakaray na antsoina … Continuer à lire Manjakaray, fantatrao ve?
Auteur : rasamison
Joseph d’Af tao Antsahamanitra
Taorian’ny Antsa an’i Kristy dia anjaran’ny Joseph d’Af indray no nanao fampisehoana tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo teto Antananarivo. Saingy tsy tao amin’ny kianjan’ny fanatanjahantena sy kolotsaina izany fa tao Antsahamanitra. Azo lazaina ho feno ny sehatra maintso tao Antsahamanitra. Ity lanonana ity moa dia nokarakarain-drizareo avy ao amin'ny Sampana Foibe Tanora Kristiana METM. Aorian’i … Continuer à lire Joseph d’Af tao Antsahamanitra
Ambony sy ambany
Neny ô, ry zareo atsy atsimotsika dia tsy mety mibaliaka mihitsy ny masoandrony fa dia maizin-dava ny androny. Zara raha mba misakafo sanatria izay safosafo. Toa mirenireny mangataka eny an-dalana eny. Na ny kely na lehibe dia tsy misy mba mifehy fa dia miaina anaty loto ary lasa jiolahimboto Nefa indray ry Neny, atsy avaratsika … Continuer à lire Ambony sy ambany
Antsa an’i Kristy, tsotra nefa kanto
Amiko dia ny Antsa an’i kristy no anisan’ireo tarika ara-pilazantsara voalohany nanova ny fomba fihira sy fanao amin'ny asa fitoriana an-kira mba ho maoderina sy raitra teto Madagasikara. Izy ihany koa no nanomboka ny fanaovana fampisehoana ara-pilazantsara manara-penitra nahafeno kianja kanefa misy vidim-pidirana, toy ireny mpanakanto malaza rehetra ireny teto Antananarivo. Nanomboka teo dia betsaka … Continuer à lire Antsa an’i Kristy, tsotra nefa kanto
Toetra miafina
Misy hono eto Imerina vehivavy noheverina ho hendry sy mpivavaka, tsara toetra miavaka. Kanjo hay toa fositra tena mampandositra, satria ivelany ihany izato bika sy hatsarany. Fa ny ao anatiny ao aoka ambara tsotr'izao fa dia manalasala satria vehivavy adala. Toa anjely mielinelina hay vehivavy makorelina. Misy hono eto Imerina lehilahy mba noheverina ho modely … Continuer à lire Toetra miafina
Manina te hody
Any izay ilay raiko, ilay dadako malala Mandroaka mora ny omby, hiditra ao am-bala Mantsy takariva izao ny andro any an-tanàna Izaho tsy maintsy mianatra, manovo fahalalàna Any izay ilay reniko, mamako tsy foiko Manokona nahandro, tsy mba ho adinoiko Mahatsiaro ho mangingina, mitady zafikely Izaho anefa ity mbola mpitovo manirery Any izay ny alikako, … Continuer à lire Manina te hody
Ilay hatsembohako anaka
Anaka, tsarovy tadidio fa io hatsembohako io dia tsy ho verivery foana fa na amin'ny fomba ahoana raha mbola misy azoko atao mba hahatafita anao dia ho efaiko foana izany f'avelao aho tsemboka any. Tsy hahalala vizana aho na handany andro hitalaho, tsy hitaraina tana-miepaka na ho kivy hivalaketraka, ka na ho esoina sy latsaina … Continuer à lire Ilay hatsembohako anaka
Fitiavana
Na ny asa fivelomanao s'izay fianarana atao, tsy hahitanao fahombiazana raha tsy ataonao am-pitiavana Ny fiainana ao an-tokantrano dia feno maso hanganohano, toy ny zioga fanagiazana raha tsy misy ny fitiavana Ny manodidina ihany koa hahitanao tsininy avokoa, mipololotra ny fandavana raha tsy ampy ilay fitiavana Izay rehetra hita maso hoheverinao fa ankaso, ny fonao … Continuer à lire Fitiavana
Mpitsabo tsy fidiny
Mahavariana sy mahavalalanina toa mahakivy ary koa mahafanina f'ireo nantenaina mba hanavotr'aina no toa lasa adala sy tsy misy saina. Ny efa marary amin'ny hopitaly manaintaina sy tena mijaly no kitakitaina sy vazavazaina tsy henoina akory raha mba mitaraina. Izy efa marofy sy mangirifiry tsy manan-tsafidy fa indro mikiry mandany vola hitsaboana tena kanefa hitsahina … Continuer à lire Mpitsabo tsy fidiny
Manam-pahefana
Dada ô, aty ampita aty ny hoe manam-pahefana dia toy ny olona rehetra, ambanin’ny lalàna, sady olona misaina sy manam-pahalalàna, ka tena tsara tantana ery ilay Fanjakana. Ny anarany tsy fampiasa hanaovana hadalana na fitaovan-kolikoly anaty fandraharahana ka na ny namany aza dia tsy asiany fihantràna raha toa ka voasaringotra eny amin’ny fitsarana. Raha toa … Continuer à lire Manam-pahefana








