Catégorie : Fitiavana

Madio fo

Madio fo

Sambatra ny olona izay madio foTia ny ray sy reniny sy iray tampoTsy mihatsaravelatsihy,na modimody tia,fa tena mankamamy ny fifankatiavanaAkaikin'ny fon'ny namana sy havana Ny madio fo dia tsy misy fialonanaMiezaka hatrany amin'ny fiombonanaTsy tia miadiady,indrindra tsy mampiady,fa olona tsotra mandala fihavananaSady tia miantra tsy manosibohotanana Tsara saina izy sady liam-pivoaranaMahay mifaly sy mahita fahasambaranaamin'ny … Continuer à lire Madio fo

Fanambadiana

Fanambadiana

Ny fanambadiana, dia tsy akory hoe fifaliana foana mandavantaona. Fa misy koa fotoana, mifampila vaniny sy miadiady, mifangaringarika eny ny mpivady Mifanome lamosina tsy mifampiteny  Kanefa, ... ireny rehetra ireny dia mandalo ihany Tsy maharitra ela dia indreo mifanontany,  miombona indray.  Izay ilay olondroa nitambatra ho iray Indraindray tsy mitovy ny fisainana Fa kosa, ... … Continuer à lire Fanambadiana

Faniriako

Faniriako

Zanahary ô,Dimy izao zahay fa tsy efatra intsony Misaotra Anao indrindra Ray ao ambony, fa noho ny fitiavana sy fitahianaono mahatonga anay mijoro toy izao Andriamanitra ô, Izao no faniriakoHifankatia hatrany anie ny fianakaviakoHahita fahasambarana ireo zanako izay tiako Raha toa moa sanatria ,ka misy ny mpialona, na olona tsy tiaIanao  no angatahiko hiaro izany diaTsy ho azon-tsampona amin'izay … Continuer à lire Faniriako

Tsara tsodrano

Tsara tsodrano

Eny re ry AndoniainaFaly sahirana ny sainamahita anao hanambadyNdeha ataoko hoe sahadysatria toa vetivety ihany, mbola tsaroako tamin'izany,ianao ilay zaza nitomany,niangotingoty tamin'i Neny.Lehibe hoazy tenyTsaroako izaho ilay nandaovao enimbolana ianaoTaona vitsy aho tany andafy Ianao sy Neny nihafiafyFa taty aoriana indrayianao no nandao anayMbola ankizy tsy ampy taona, dia nanao mandram-pihaonaNandeha nisidina ho any ampitaHianatra mba ho tafitaAnkehitriny … Continuer à lire Tsara tsodrano

Nahavita fianarana

Nahavita fianarana

Endrey izany hafaliakoTò indray ny faniriakof'ilay zanako vavy,izay nandao ny mpianakavy,nianatra ivelan'ny Madagasikara,no indro ankehitriny nahavita soamantsara izato fianarany.Tontosa hatramin'ny faranyFaly aho tena faly Tsaroako ho toy ny vao omalyizy notsofiko rano,ny masoko nanganohanoManko aho niahiahy ny amin'ny fiainany any andafyLavi-dray sy reny ka mety hihafiafy Hipetraka irery any an-tanin'olonaKanefa dia nifofotra, nianatra, nitolonaTsy nivarilavo fa nahay nifehy … Continuer à lire Nahavita fianarana

Beantitra

Beantitra

Rahatoa ka beantitra ny ray na reninaoNahazoazo taona ka reraka izy izaoLasa mareforefo sy mararirary azaSady mihamiverina manao fisainan-jaza Atao ahoana moa f'izay ilay eto an-tany Tsy misy olombelona ho tanora foana izanyNa ianao koa aza ho antitra toa azyKoa tiavo foana izy f'aza raisina ho sazy Ny tranon'ny beantitra, eny mety ho tsaraFa olo tsy … Continuer à lire Beantitra

Aza midaroka

Aza midaroka

N'inona n'inona ady eo amin'ny mpivady,na tezitra tanteraka,vinitra sy reraka,noho ny ataon'ny andaniny,efa mankaleo tsy hahitana maminy sy fafiny intsony,toy irony lasa mpifahavalo irony Dia fadio hatrany ny mikasi-tanana Aza tia midaroka vady re ry namana Tsy maintsy miadiady raha mpivady koa Ny disadisa izany misy hatrany moa Tsy maninona afaka miteny mafimafy Lazao ny ao am-po f'aza mihafihafy Fa ilay mamono sy mamely … Continuer à lire Aza midaroka

Lehibe ialahy

Lehibe ialahy

Lehibe ialahy Efa tovolahysalama sy tomady Endrey, faly izahay mivady f'ialahy ilay zanakayno indro ankehitriny fa raisina ho mpandray Dia mitomboa fahendrena Inoako koa ialahy fa hahita fandresena amin'ny ady atao rehetra Hiavaka hatrany amin'ny fanahy sy toetra Ary indrindra koa ho feno fahalalàna Dia aza adino mihitsy leisy ny tanàna rehefa any aorianaka tojo sy tafita amin'ny tanjona irinaHo tabiha ialahy sy ho reharehanay Tsy … Continuer à lire Lehibe ialahy

Dada tsotra

Dada tsotra

Dada ô, fetin'ny Ray androanyArahabaina indrindra izany Dadako izanyIriko tena Iriko ianao mba ho salamaHo samy ela velona anie ianao  sy MamaMbola hifankatia sy hiaraka eny foanaKa na manao ahoana ny fandehan'ny fotoanaDia reharehanayHoe iny dadanayIny ilay nitaiza sy nikolokoloVizana tokoa efa fotsy voloTsy nikeky aina tamin'ny asa fivelomanaNahavita adidy tamin'ny ankohonana  Tsapanay ankizy ny … Continuer à lire Dada tsotra

Fety tsisy jiro

Fety tsisy jiro

Neny ô, fetinao androanyArahabaina indrindra ianao arak'izany Nikasa dia nikasa tokoa re izahayHanao izay hampifaly anao toy ny hatrizay Saika mba hihira sy hiaraka handihyKinanjo loza no afitsok'ity jiro maty ityTapaka efa ela tsy mimpody koaHaiko ianao ry Neny fa kivikivy koa. Nefa atao ahoana moa,Aza sorena loatra re fa sao marary foEfa izao ny fiainana eto … Continuer à lire Fety tsisy jiro