Dieny mbola velona ity Reninay ityDia aleo ampifaliana sy omena poeziaFa tsy rehefa maty ka atao veloma faranyVao omena tononkalo maneho ny tantarany Misaotra anao zahay ry Mama tamin’ireny fitaizanaMisaotra anao nikikitra nahazoanay fahalalànaMisaotra noho ny vavaka nataonao isan'androMba hitahiana anay amin'ny alina sy atoandro Ianao ilay nahantra tsy mba nandia fianaranaZara aza raha nahay … Continuer à lire Valopolo taona
Catégorie : Fitiavana
Fotoana mamy
Tsy ny mivoaka akoryna mandeha miari-torymiaraka amy namana ihanyno fotoana tena mamy Fa ilay mijanona ao an-trano tsy tezitra, tsy mamo, manakatom-baravaranano tena fahasambarana Satria makamaka ainasady akaiky sombinaina Tsy mivoaka hilanonanafa anilan'ny ankohonana Rasamy
Hira sy mozika
Mozika sy hira ry havako no mampitraka izato tavakorehefa tojo fahoriana na anaty fahakivianaMozika miadana sy kanto,feo miangola sy milantono manainga ny fanahy,sady mampitony ahy Hira sy mozika koaefa hatramin’ny taloha no hanehoako ny hafaliakoraha tojo izay mba faniriako Hirahiran'ny fitiavana Hirahiram-pahasoavanaMozika sy hira fideranaNameno ny hatanorana Raha mbola velona ny aiko dia mbola ho sakafon-tsaiko sady fifaliam-pokony mozika izay henoikoManentana ny … Continuer à lire Hira sy mozika
Ho an’ialahy
Ho an'ialahy ry zanakolahitokan'ny aiko, raha mbola hain'ny tanakosy takatry ny saiko, dia ataoko ho an'ialahy, f'aza mba manahy Ny tena faniriako dia ho tafita ialahy, mainka ho tena tiakoraha hatsaram-panahy, sy fo mora tony no ataon'ialahy ambony Izaho hatoky foanaf'ialahy vonona sy sahy, tsy ho olonolom-poanafa tena ho lehilahy, miavaka amin'ny sainy Tsy adala toa an-drainy Rasamy
Ny alikako
Ny alikako rey olonadia tia mitolotolonasy misangisangy.Tia manaikitraikitrasy mampiseho vangyizay ngeza sy maranitra.Nefa mahafinaritrafa namana azo antoka.Tsy mahafaty antokany mitaiza azy.Indraindray treromina somary omena sazyMatetika kosa omena safosafoTsy ampandeferina amy resaka sakafoIzy no manampy raha sendra fahavalo,mananika tanàna Rambosany ataony mandositra tsy tanaOmena tambitamby sy iaraha-milalaoTiako ny alikako, tiako tsotr'izao Rasamy
Zoky Joé
Lehilahy tena matotra sady tena tso-piaina Ikoizana tanteraka amin’ny lafiny ara-tsainaTena nanana ati-doha tamin’ny asa nosahaninaNampiaky ny rehetra fa nahay sy matihanina Ilay zoky be fitia izay nanampy ireto zandrinyTafita noho ny herim-pony ary koa ny herin-tsandrinyLehilahy fatra-panaja ny etika nijoroanyIlay mpanompo mahasoa an’Andriamanitra ninoany Ilay raim-pianakaviana tia nampianatra ny zananyLehilahy nanetry tena n’inona n’inona fananany Ilay … Continuer à lire Zoky Joé
Fo mifangia
Tsy ny bika aman'endrikano ilaina, tsy haharendrika fiarahan'olon-droa Fa ny fitia avy ao am-po Tsy ny vola aman-karenana fitiavana terenamihitsy no hahasambatra Fa fo roa izay te hitambatra Tsy ny resam-pirazananana ny resaka fanananano tokony hampiray Fa fo roa izay te ho iray Tsy ho zary fihafianaakory ny fanambadianaraha samy tena tiany fo roa izay mifangia Rasamy
Izaho mino
Izaho mino an'AndriamanitraNanao ny tany sy ny lanitraIzaho mino ny fisianyMino koa fa tena tiany Izaho midera ny anaranyEkeko koa izay fandaharanyEny Izy no tompoikoIzay mihitsy ilay finoako Izaho mino Ilay Nahary Namorona ny zava-boary Satria raha tsisy ny mpamorona Moa misy zavatra miforona? Rasamy
Tolory tanana
Mandalo sy miserana ny fiainana an-tanyRaha mateza indrindra dia sivifolo ihanyVitsy anefa indrisy no mahatratra izanyNy gasy maro an'isa tsy tonga lavitra any Manko be ny aretina tsy fanta-piavianaTokantrano maro miaina anaty fihafianaMitebiteby lava sy feno fanahiana Ny fiainam-pirenena koa tsisy fitoniana Misy aza moa ireo te hanapitra ny ainy Tsy tantiny intsony ny vesatra zakainyTolory tanana … Continuer à lire Tolory tanana
Tia mizara
Tsy misy manana ny ampyfa sambatra izay mifanampyTsy misy koa ny tonga lafatraf'izay zavatra hay s'izay takatrano ezahina zarazarainafa sady mampifaly ny sainano mety hanavotra aina Fa aiza ianao io na ho aizadia tsarovy re ry sakaizafa tsisy ny mahavita tenakoa raha misy ny azo omenadia zarao am-po tsy terenatsy iandrasana valim-babenana Tambazana vola sy … Continuer à lire Tia mizara









