Raha toa ianao ka mbola misy Dada antsoinaKanefa tsy jerena, na miteny aza tsy henoina Tsarovy f'indray andro hitsahatra ny fonyHanenina ianao f'izy tsy miteny intsony Raha toa ianao mbola afaka miantsoantso NenyAza manampin-tsofina f'henoy izy mitenySambatra aza ianao mbola afaka miangotyAlaivo sary an-tsaina anie ny fiainan'ny kamboty Raha sady velon-dRay ianao no mbola velon-dReny Dia sambatra … Continuer à lire Mbola sambatra
Catégorie : Fitiavana
Izay tia adala
Tia azy ianao matoa midobodoboka ny foIzay mombamomba azy toa tsara avokoaTsisy hitanao akory izay mety fahalemenyToa satrinao hatrany hiaraka aminy eny Tia azy ianao matoa na misy aza olon-kafaManantona anao mba hiaraka hitafaMiezaka mambabo ny fonao ihany koa Dia izy foana ihany no mibahana an-doha Tia azy ianao matoa mora lasalasa sainaTsy andrinao mihitsy ny … Continuer à lire Izay tia adala
Ny vady anie
Ny vady anie ry zandrytsy fampiasa herin-tsandryka vonoina sy ratrainafa henoina sy hajaina Ny vady anie ry zokyka olona mahatokysy azo ianteheranaary manam-pandeferana Ny vady anie ry namanatsy harena sy fananana na olona mandalo ka soloina sy atakalo Ny vady anie ry havanatolorana fitiavana sy voady avy ao anatyf'io no vady mandra-maty Rasamy
Kambana
Zaza kambana ankiroa No indreo fa tonga soa Dia i "Mifalia" sy i "Miravoa" Misaotra indrindra ry Tsitoha Misaotra noho ny fitahiana Endrey ravo ny fianakaviana Tonga mantsy ireo nirina Tondraka ny fifaliana Ny Ray sy Reniny arahabaina Fa nahazo sombinaina Nomeny zanaka sahaza Lehibeaza haingana ny zaza Dadatoa Rasamy
« Mifalia » sy « Miravoa »
Anaty fo feno hafaliana Saina feno fitsikiana No andraisako ny peniko Ka hanoratako ny teniko He taona maro mantsy izay No efa niandrasanay Ity andro mamy loatra ö ry Ray ô Misaotra Dera no Asandratray Ho Anao Mandrakizay Misaotra noho ny valim-bavaka Hafa loatra tena miavaka Niangavy mantsy dia nomena Nitaraina dia nekena Niantso dia … Continuer à lire « Mifalia » sy « Miravoa »
Voady vao
Ny andro moa ririnina Mangatsiaka mamanala Etsy ianao fihinina Ry vadiko malala Zaraiko hafanana Fitia mitafotafo Vao mainka moa mafana Eto am-pisoronan'afo Dia lasa eky ny saina Mandinika ny lasa Be ireo nosedraina Maro ireo kinasa Tao ny adiady Sy ny kisakisa Ny olana nianjady Tsy hary ho voatanisa Fa maro koa ny tsara Be … Continuer à lire Voady vao
Dada kosa …
Ny reny foana mantsy no lazainafa tena tia ny sombinaina Toa izy irery ihany no ambara hatrany hatrany fa tena tsy mahafoy sy mikarakara ireto zanaka amam-para. I dada kosa etsy andaniny na miahy mafy ny ankaninytoa tsy lazaina loatra ny herim-po izay laniny.Nefa izy dia mangina fa ataony ho fifaliana ny mahita an-janany, ravo … Continuer à lire Dada kosa …
Raha mbola velon-dreny
Raha toa ka mbola velona ilay reninao niteraka Na aza efa antitra lazainao fa mandreraka Dia tsarovy foana, raiketo ao an-doha Fa iny anie ilay Reny izay nahitanao soa Ilay nitondra am-bohoka efa ho sivy volana Tsy nanala zaza nandray anao ho olana Matoa ianao koa velona dia tiany amin’ny fony Satria dia fanomezana avy … Continuer à lire Raha mbola velon-dreny
Iny Mamanareo iny
Iny Mamanareo iny, olon-tsotra tia fihavanana Tia nanampy sy niantra ireo olona tsy manana Olom-banona tokoa, sady tsara toetra niavaka Satria olon'ny finoana, niaina tao anaty vavaka Iny Mamanareo iny, tia nivavaka ho an-janany Notononony isan'andro tsisy adinony ny anarany Ny fahitana anareo no mampiseho miharihary Fa ny vavaka nataony dia efa ren'ilay Mpahary Iny … Continuer à lire Iny Mamanareo iny
Sipako taloha
Hitako androany, tany an-tsena tany, ilay sipako taloha. Asa re izy iny na ilay fahafiry moa? Maro ihany mantsy ka tsy tsaroako intsony Loza mihitsy moa isika lehilahy itony Tadidy tsara kosa aloha anefa tamin’izany f’izy mpihantahanta sy mpitomanimany. Mody tsy mahatanty ny sangy izay fanaoko Tsy namelako moa, fa mainka koa nataoko. Toetrany ankiray mba nampiavaka … Continuer à lire Sipako taloha








