Catégorie : Fitiavana

Tsy maintsy tafita

Tsy maintsy tafita

Raha toa ianao re anaka mahatsiaro manirery Malahelohelo toa mila hiteny irery Satria olon-tokana any an-tany lavitra any Toa mangasihasy, mitady hitomany Na koa indraindray toa zary mangingina Lasalasa saina eo ambonin'ny fandriana Mahatsiaro ny havana sy manina ny tany Dia aza mitanondrika fa mitrakà hatrany Izao ihany anaka raketina an-tsaina Misaora an’Andriamanitra fa mbola … Continuer à lire Tsy maintsy tafita

Soava dia

Soava dia

Mbola zazakely tsy ampy herintaona akory fa mpitomany lava tsy nahitana tory ianao ry sombinaiko. Ka nararirary ny aiko nandao anao sy neny. Ianao arak’izany mbola zaza tsy niteny Satria dia lasa i dada nanohy ny fianarany Namela ho tsisy ray ilay Andoniaina zanany Latsa-dranomaso sy nalahelo am-po Kanefa dia nitraka satria ny tao an-doha … Continuer à lire Soava dia

Soa ihany

Soa ihany

Tsaroako ery fahiny f’ianao ilay virijiny tsy nahalala akory izany hoe hiaraka hatory fa sarosaro-kenatra sy maotina aok’izany Moa va tsy toy ny anjely latsaka an-tany? Dia saikatra ny maro izay te mba hifangaro niezaka nambabo tamin’ny fony manontolo saingy dia indrisy fa nolavinao daholo Nitombo koa ny taona f'ianao tsy niova foana. Mainka aza … Continuer à lire Soa ihany

Afaka

Afaka

Endrey izany hafaliako He to ny faniriako f'ilay zanako izay tiako sady efa nandaniako ny herim-poko hatrizay dia hendry sy nahay. Ka azony ny diplaomany Sahaza izato taonany Mbola ho lavitra ny lalany Mbola hitohy ny fianarany ka hiandrandra hatrany hatrany fahafahana toy izany. Nefa izaho dia tsy hanahy satria Ianao koa mbola hitahy. Koa … Continuer à lire Afaka

Izany Dada izany

Izany Dada izany

Izany Dada izany dia tsoriko amin’ise Tsy manao fisainan-jaza f’efa olon-dehibe Mahalala ny ataony sady feno fahamatorana Mahaleo-tena fa tsy miandry hotolorana Mahay mandanjalanja ny zavatra ataony Mamaha hatrany ny olana miseho eo anoloany Koa n’inona mitranga, n'inona n'inona manjo Ny ankohonany aminy no sarobidy aloha Izany Dada izany dia lazaiko an’ise Na vitsy koa … Continuer à lire Izany Dada izany

Lehibe ianao anaka

Lehibe ianao anaka

Anaka, izao andro anio izao no hanokanana anao hiray latabatra amin'i Tompo. Ka mivoady fa hanompo anio sy ho mandrakizay ilay zanaky ny Ray. Izay nanolotra ny tenany sy nandatsaka ny ràny Anton'ny mofo sy divay izay raisinao androany Anaka, efa lehibe tokoa ianao matoa raisina toy izao. Koa amin’izay atao rehetra tandrovy ilay fanahy … Continuer à lire Lehibe ianao anaka

Vavak’i Mama

Vavak’i Mama

Iny zanako iny ry Tompoko malala Izay rehatra ataony, Ianao no mahalala Mba ampahafantaro azy re ny ratsy sy ny tsara Ka tsy haharendrika azy anaty zavatra voarara Mba tahio izy iny Tompo, n'aiza lalana hombàny Mahery loatra mantsy ny hetraketraky ny tany Ka ndrao dia ho solafaka hanenina hitomany Arovy re ny zanako mba … Continuer à lire Vavak’i Mama

Ilay hatsembohako anaka

Ilay hatsembohako anaka

Anaka, tsarovy tadidio fa io hatsembohako io dia tsy ho verivery foana fa na amin'ny fomba ahoana raha mbola misy azoko atao mba hahatafita anao dia ho efaiko foana izany f'avelao aho tsemboka any. Tsy hahalala vizana aho na handany andro hitalaho, tsy hitaraina tana-miepaka na ho kivy hivalaketraka, ka na ho esoina sy latsaina … Continuer à lire Ilay hatsembohako anaka

Fitiavana

Fitiavana

Na ny asa fivelomanao s'izay fianarana atao, tsy hahitanao fahombiazana raha tsy ataonao am-pitiavana Ny fiainana ao an-tokantrano dia feno maso hanganohano, toy ny zioga fanagiazana raha tsy misy ny fitiavana Ny manodidina ihany koa hahitanao tsininy avokoa, mipololotra ny fandavana raha tsy ampy ilay fitiavana Izay rehetra hita maso hoheverinao fa ankaso, ny fonao … Continuer à lire Fitiavana

Dada

Ilay andry fiankinana mitady vola misahirana mba hampitombo ny fananany sy hahatafita ireto zanany. Mpiteny sy mpananatra ary miezaka mampianatra. Tsy mba mikely soroka fa miasa sy mifofotra. Ka iny lasa isa-maraina mazoto tsy malaina satria mamelona ankohonana tsy mody raha tsy mitatao vovonana. Dia lasa indray avy eo ny atoandro tsy tonga raha tsy … Continuer à lire Dada