Catégorie : Mampihomehy

Vehivavy « faosika »

Vehivavy « faosika »

Taitra tampoka aho nahita izato bika sy tarehy Kanjo hay tsy natoraly fa dia zary mampihomehy "Faosika" ny volomasony, lokomena be ny molony "Faosika" ny hohon-tanany sy izato lokom-bolony Dia lasalasa teo ny saiko, vehivavy tsy mahalala onony? Asa angamba hatrany anatiny, "faosika" va re ny nonony? Dia sanatria va re ka "faosika" ihany koa 'ty … Continuer à lire Vehivavy « faosika »

Tera-bitro

Tera-bitro

Nareo efa mahantra, tsy maha-te hiantra satria tsy hay tenenina, fa manao bemarenina. Efa lazaina foana, mila ho mandavantaona, hoe aok’izay ilay zaza, fa tena tsy sahaza. Dia indreo mikiry hatrany, manao zaza ihany, lasa tera-bitro, tsy mitsinjo ny ampitso. Miteratera-poana, efa ho isan-taona, nefa ny eo tsy vanon-ko olona, tsy mety mamololona. 'Nareo tokony … Continuer à lire Tera-bitro

Vahoaka sy mpitondra

Vahoaka sy mpitondra

Vahoaka jenjina sy midororororo Mpitondra etsy andaniny sarotra atoro Vahoaka tsy faly sy be menonenona Mpitondra marenina saro-tenenina Vahoaka efa zatra mpanao tatasiaka Mpitondra mandreraka sy manaliaka Vahoaka beloha sy tia gaboraraka Mpitondra mampiady sy tia mampisaraka Vahoaka tsy tia manara-dalàna Mpitondra tampohan'ny fahefana Vahoaka sorena tsy mety afa-po Mpitondra tia tena sy toa ratsy … Continuer à lire Vahoaka sy mpitondra

Tantara tsisy tohiny

Tantara tsisy tohiny

Tiany hono aho ka tiany, tsy ariny intsony Tsy hay sakanana hono ny fitempotempom-pony Mbola misy hono ve tsirim-panatenana Tsy mampaninona azy ny hiaina anaty fahotana Mijaly loatra hono izy f'efa ela naniriana Izato sainy mantsy, tsy mino hoe tsy tiana Hisisika hibosesika, handeha hikiribiby Atosiky ny fony ka tsy manana safidy Isan-kalina izy, milaza … Continuer à lire Tantara tsisy tohiny

Mpanely tsaho

Mpanely tsaho

Ny malagasy dia mizahozaho Rehefa handainga sy hanely tsaho Zava-tsy marina sy tsy mari-pototra No dradradradrain'ireo lava molotra Toetran'ny gasy efa hatramin'izay Ny valala misy, ny mpilaza mahay Na zavatra kely toa tsy misy fotony Hitariny lava ary koa sarangotiny Na dia angano sy resaka abobo Dia ireo koa fa latsaka anatin'ny vovo Ireto vahoaka efa … Continuer à lire Mpanely tsaho

Ingahy minisitra

Ingahy minisitra

Izy ilay tary, tsotsotra sy mahia Niova ho be kibo sy bolangina ery Ilay fiara novidiany, folo taona izay Nosoloiny vaovao, notsiriritiny hatrizay Ny kaonty amin'ny banky, tsy nisy ny Tahiry Lasa volabe sy devizy makadiry Nandeha koa ranamama nitetitety tany Hatrizay ny vakansy dia Foulpointe ihany Raha sendra lasa lavitra dia tany Majunga Izao … Continuer à lire Ingahy minisitra

« Kipipemty »

« Kipipemty »

Isika malagasy aloha dia tena hafa mihintsy Raha hiteny ratsy dia tsy ankitsitsitsitsy Voatonona daholo ity zava-drehetra ity Ra- bory e, Ra-Lena e, ary "Kipipemty" Isika rehefa tezitra, dia manangam-bovona Tia miteny ratsy, sady tia manozona Ompa vary raraka, moa va tsy olon-dia? Tena mahasosotr'ahy ilay "Kipipemty" Misy kosa indray dia hafahafa tsotra izao Efa … Continuer à lire « Kipipemty »

« JIRAMATY »

« JIRAMATY »

Dia maty indray ny jiro, tapaka ny rano Ny zaza mitomany tsisy farany ato an-trano Andreheto labozia re fa maizina izy izany Tsy hahita-mitsinjo hatrany an-tokontany Vizambizana e , torovana avy niasa Tonga ato an-tanàna, mailaka hisasa Kanjo kivikivy, io indray fa loza be Ritra anie ity rano, maina ny robinet Ny ankizy etsy andaniny … Continuer à lire « JIRAMATY »

Fesiboky fesiboky

Fesiboky fesiboky

A: Ity fesiboky ity ange ry zareo Miangavy mba avalona hatreo Tsy misy ilana azy io fa avelao  Ny asa sy fianarana atao B: Mangina re ty vava akombony Ny toetra tsaranao koa tazomy Dia aza be sermona razoky F'izahay tena mirevy fesiboky A: Ka nareo anie toy ny adaladala Isan'andro eo foana fa tsy … Continuer à lire Fesiboky fesiboky