Étiquette : Aleo miaina

Asio fotoana

Asio fotoana

Asio fotoana mba hanginana,dia misy koa mba hitenenanaAleo miaina am-pilaminana,mba tsy hisiam-panenenana Asio fotoana tena hiasànadia asiana koa hakàna aina,Aleo atao izay hahasalama, sy mampifalifaly saina Asio fotoana  koa iarahanahanehoana fiombonana,amin'ny havana sy namana, indrindra moa ny ankohonana  Ny ratsy mbola hisy foana, ny fahasahiranana tsy ho tapitra,f'asio hatrany koa fotoana mahasoa sy mahafinaritra Rasamy