Kanto loatra ianao ry tanikoTsy atakaloko na ovianaTena tiako sady mamikoSatria tany nihaviana Na tsara aza ny any ampitaMandroso sy manan-karenaEto aho no hiezaka ho tafita Ho sambatra an-tanin-tena Nitsangatsangana aho no tanyNianatra sy niasa koaKanefa vetivety ihanyNiverina nitodi-doha Eto mantsy no anjarako Teto no niandohakoTohizako eto ny tantarako Eto koa no hiafarako Rasamy
Étiquette : Gasikarako
