Misy ny lolo izay fahitantsika Tena tsara endrika sady manam-bika Saingy mahavariana sy mahavalalanina Maloto no tiany lalaovina sy hohanina Angamba toa izany, misy olona any ho any Ny fisehoana ivelany dia tsisy toy izany Kanefa ny ao anatiny fisainana maloto Toy ny hoe anjely kanefa jiolahim-boto Rasamy
Étiquette : Lolo hafahafa
