Étiquette : Noely

Amin’izao Noely izao

Amin’izao Noely izao

Amin'izao Noely izaodia irariako ho anaony fiainam-pifalianaanilan'ny fianakavianaHo lavitry ny ahiahyfa na ny saina na fanahydia ravoravo sady tonyMisaotra indrindra ny ao Ambony Amin'izao Noely izaodia entaniko ihany ianao Hahatsiaro kely ireo sahirana Hananany endrika mba miranaZarao na kely fotsiny azaOmeo izay misy sy sahazaSatria tokoa ny Noely Andro tena hafa kely  Rasamy

Vavako mangina

Vavako mangina

Ny ahy ny Noely Dia tiako ho hafa kely Vavaka ao am-po Amin'Ilay Tsitoha Misaotra Azy manginaNoho ny fahasoavana sy ny fitahianaIzaho tsy voatery ho any am-piangonana Na hamonjy fety an-trano filanonanaFa toerana milamina sy mampitony sainaSady tsara rivotra makamaka ainaFeom-boronkely no henoko maraina Eto an-davarangana aho no misaotra Anao ry RayNoho ny fitahiana nomenao … Continuer à lire Vavako mangina