Misy olona any ho any tena kivy savolainaNa ny endrika aza lasa antitra sy mainaRakofan'ny ahiahy sy vesaran'adin-tsaina Miandry manantena hoe hisava ny maraina Izany ny eto an-tany fa tsarovy sombinaina Misy olona mijaly, kivy sy miferinaina Raha tsy toy izany ianao fa mba misy izay ilaina Tsara foana ny manampy ireo izay kely vovok'aina Rasamy
Étiquette : Tsara ny manampy
