Étiquette : Tsingerin-taona

Fetiko

Fetiko

Fetiko androany Faly aho arak'izanyEny e, toy izany foana Rehefa tsingerin-taonaZara aza velon'ainaRavo ery ny sainaManko ho avy ny oraHo faty moramoraToy ny olona rehetra Satria dia manam-petra Ny fiainana eto an-tanyTsisy ho doria izanyKoa anio aloha mifaly Rahateo aho tsy mijaly Dia misaotra mialohaMankasitraka eram-poAmin'ny firarian-tsoa Rasamy

Tsingerin-taona 

Tsingerin-taona 

Isan-taona toy izaodia faly aho misaotra Anaory Raiko any an-danitra any.Mitsingerina androanyny nahatongavako eto an-tany.Endrey mirana aok'izany f'iraika amby dimapolo taonaMbola velona eto foanaSalama tsara ihany koaSatria namindranao fo Na eo aza ny halemena sy hadalana sesehena,nisy koa ny sedra maro,sy alahelo nifangaro, dia marobe ireo fitahiana, izay nitondra fifaliana. Izaho misaotra lalandava ao am-po sy ao am-bava Nefa kosa hafa foana Rehefa … Continuer à lire Tsingerin-taona 

Dimapolo taona

Dimapolo taona

Mandeha tokoa ny fotoanafa vetivety foanadia feno dimapolo taona Toa tadidiko etoana,tsy adino fa tsaroanairony androm-pahazazanasy ny fahatanoranaRaikitra ho fahatsiarovana ny fiainana izay nandalovana,ny sarotra izay nodiavina,sy olona izay notiavina,ny ezaka izay nahatafita.Misy koa izay tsy vitakanefa tsisy hanenenana,fa ny andro sisa dia hanarenana izay mbola azo hatsaraina,satria dia mbola velon'aina Hiaraha-mahalala firifiry ireo  nikasa sy naniryho feno dimapolo  … Continuer à lire Dimapolo taona