Tsy hita izay ambara,
fa toa maramara
tsy mety miafara
izato anjomaran’
ny fifankahalàna
sy ny hadalana
ateraky ny fahantrana.
Ka na ireo heverina ho manam-pahalalana
aza toa mivarilavo tsy misy hatsarana,
fa dia manao tsindrio fa lavo
sy manamavomavo
ireo izay efa lavo
anaty fotaka mandrevo.
Dia indreo fa manandevo
sy toa revorevo
amin’ny zava-tsisy fotony,
ary dia sarotidrotiny
nefa ny malotony aza
efa hatrany ampoton’
ny farahatony adala.
Mora mankahala
sy tsy te hahalala
ireo izay mba miteny,
sy mananatra ombieny
hoe tsy mety anie ireny.
Rahoviana vao hiova
sy hanaiky hanova
izato lova
ratsy navelan’ny mpanjanaka.
Ka hatramin’ny taranaka
izay efa lanadanaka
mila tsy hitraka
no mahazo daka,
tsy mahazo laka
sy sehatra iainana.
Fa dia tsy misy fiainana.
Avy eo ataony kilalao,
isan’andro vaky izao,
ireto vahoaka noana,
fitaovana isan-taona.
Entina hahazoana seza,
satria izy te ho ngeza
sy hijanona eo mateza.
Matimboninahitra
nefa fakon’ahitra
mpanimba firenena,
be fitiavantena,
sady mahasorena.
Baombaomba lava,
daroka mazava,
tomany lalandava,
tokantrano rava,
rahona tsy hisava.
Izany no fiainana
iainan’ny
isan-tokantrano,
mampanganohano.
Nefa etsy andaniny,
mahavalalanina,
mila hahafanina mihintsy,
ireo tsy vanona,
mangorona harena
sy zava-tsarobidy.
Tanindrazany aza amidy
Rasamy