Nahoana mihitsy moa

Nahoana mihitsy moa

Nahoana mihitsy moa isika lehilahy,
no tia mikôtikôty sy tena sahisahy,
misioka vehivavy, pssst tsisy farany,
foronina mihitsy hatramin’ny anarany?

Misy aza moa tsy henatra tsy tahotra 
Tsy mihambahamba, sady tsy miahotra
Tia mikitikitika hatramin’ny fitombenana
Voadaroka avy eo vao latsa-panenenana

Nahoana mihitsy moa nareo ampelasoa,
rehefa tia ilay bandy mba metimety koa,  
no mody maotimaotina mangina tsy miteny,
kanefa dia maniry ny ho sipan’izy ireny?

Milaza fa tsy tsy tia, dia modimody fanina  
Nefa ny vavony efa tsy mahahinan-kanina 
Rehefa tena babo, nahoana no tsy ambara?  
Manonofy fotsiny eny ambony farafara

Rasamy

Laisser un commentaire