Izy ilay tary, tsotsotra sy mahia
Niova ho be kibo sy bolangina ery
Ilay fiara novidiany, folo taona izay
Nosoloiny vaovao, notsiriritiny hatrizay
Ny kaonty amin’ny banky, tsy nisy ny Tahiry
Lasa volabe sy devizy makadiry
Nandeha koa ranamama nitetitety tany
Hatrizay ny vakansy dia Foulpointe ihany
Raha sendra lasa lavitra dia tany Majunga
Izao tongany Dubaï sy Costa Rica
Ilay vadiny tsotsotra, tsy dia mba manaitra
Niofo tanteraka, nividy akanjo raitra
Tsy izy irery intsony koa fa niampy sipakely
Fiainana milay tsy hita velively
Ireo havam-badiny izay mpanao afera
No mpamatsy entana an’ilay ministera
Fa nahavariana iretsy bandy akama
Izy lasa mieboebo sy miavona an-tanàna
Ilay trano gasigasy efa antitra tokoa
Nanaovany « miracle », lasa « villa » anankiroa
Ireo rehetra ireo dia tsy niandry ela akory
Herin-taona izy ministra dia efa manontany ny ory
Rasamy