Akory ny vokatry ny tolona?
Matimaty foana hoy aho ny olona
Miala zao dia zao Ilay fahavalo
Avy eo nanjaka ny malaso sy dahalo
Dia Inona no vokatry ny tolona?
Naradratra foana hoy aho ny olona
Iny lalan’iny lalan-tsarotra
Ny firenena avy eo lasa entam-barotra
Moa fantatrao ny vokatry ny tolona?
Vao mainka nihanahantra re ‘ty olona
Mpivarotra mameno ny arabe
F’izy tretrika amin’izato harena be
Indrisy ry vahoaka tia mitolona
Toy ny adaladala hoy aho ny olona
Ka nataony tohatra fiakarana
Nefa izy tsy namonjy filaharana
Hainao ve ny vokatry ny tolona ?
Nitondra takaitra hoy aho ny olona
Nirefodrefotra ny basy sy ny bala
Fa « réconciliation » io dia samy miala
Mba Tongava saina hoy aho rey olona
Fa tsy mba hisy vokany izay tolona
Raha tolona hakana fahefana
Aleoko ihany mijanona an-tanàna
Rasamy
(Sary indrana)