Dia maty indray ny jiro, tapaka ny rano
Ny zaza mitomany tsisy farany ato an-trano
Andreheto labozia re fa maizina izy izany
Tsy hahita-mitsinjo hatrany an-tokontany
Vizambizana e , torovana avy niasa
Tonga ato an-tanàna, mailaka hisasa
Kanjo kivikivy, io indray fa loza be
Ritra anie ity rano, maina ny robinet
Ny ankizy etsy andaniny tsy vita ny devoara
Fa tapaka ny jiro e, tena zistoira
Tsy misy azo atao, f’ampiasao ny labozia
Tena manirikiry ity « JIRAMATY » ty
Madama koa sorena tsy maintsy hiaritory
Satria miandry rano alohan’ny hatory
Raha izao no mitohy tsy hisy safosafo
Ity « JIRAMATY » ‘ty hoy aho tena vidina lafo
Zahay harivariva mba te hi-facebook
Hijery sarisarin’ireo sipa tsara « look »
Kinanjo ilay finday lany batery
Tena masosotr’ahy ity « JIRAMATY » ity
Rasamy
Sary: Nalaina tao amin’ny Facebook