N’inona n’inona mitranga amin’ny fiainana eto an-tany
Mila miezaka mitraka, tsy ho lany andro mitomany
Hijoro foana tsy hikoro, hiasa mafy, hatanjan-tsaina
Tsy handrara-kilo mby an-doha, mandra-pialam-pofonaina
Ny fahoriana sy adin-tsaina, lalana tsy maintsy diavina
Ny halemena, fahotana, tena misy, tsy azo lavina
Ireo no iainana isan’andro, nefa tokony tsy handavo
Fa raha potraka androany, rahampitso ho ravoravo
Ny paradisa toa tsy hisy, raha mbola velona ny aina
Fa kosa ny andro sisa, tsy laniana sento sy taraina
Ny fahaizana mifaly, amin’ny eo am-pelatanana
Izay vokatry ny herim-po, izay no tena fahasambarana
Tsy misy koa ny tonga lafatra, hisora-tena ho anjely ?
Na izany aza anefa , mba mila mitsangana ho modely
Hampahery ireo izay kivy, tratry ny faharavana
Hanohy hitazona finoana, hanana fanantenana
Fa any andro iray, tsy maintsy ho lasana avokoa
Handry am-parafara vato, ary hatory tsy hifoha
Ka raha samy ho faty ihany, aleo ho maty hamela mamy
Indrindra ho an’ireo taranaka, sa tsy marina izany ?
Rasamy