Ny zanako

Ny zanako

Ny vady sy ny iray tampo
Ray sy Reny tiako koa
Tsy adino koa ny namako
Fa hafa foana ireto zanako

Tsy hitsitsiako izay harena
Sady hahafoizan-tena
Andaniako ny fananako
Rehefa mahasoa anjanako

Toy ny olona rehetra
Izaho koa mba misy toetra
Fa n’inona n’inona koa ditrako
Zanako tsy apitrapitrako

Na ny fo amam-panahy
Sy izay rehetra momba ahy
Baikon’ny saiko sy ny tanako
Hiasa ho an’ireto zanako

Raha nandeha ampita tany
Nalahelo aho nitomany
Nefa nilaina ny fiondranako
Hahatsara ny ho avin-janako

Be ny zava-mahafaly
Misy koa ny mampijaly
Fa ny tena mba fiadanako? ….
Endrey « hendry ireto zanako »

Rasamy

Laisser un commentaire