Rahoviana ny vahoaka vao hahita fiadanana
Fa mangidy tafahoatra, efa ho isam-baravarana
Mila tsy hahatraka intsony, trotraka sy mosarena
Very mihintsy ve ny zony, tsy mba misy famonjena
Rahoviana vao hiposaka, izany tara-pahazavana
Ka fahasoavana no hirotsaka, mba hitondra fihatsarana
Hanala ny hirifirim-piainany, tsy hahitam-panafody
Mahalasa ny fisainany, vesaran-tsiny ve sa tody?
Rahoviana ny maraina, hamerina ny fifaliany
Ka ho foana ny taraina, sy ny kiakam-pijaliany
Handosiran-dranomaso, ho lavitry ny tebiteby,
Ampy izay ny andraso andraso, efa mampirediredy
Rahoviana vao hangina, izato sento sy tomaniny
Mba ho to ny faniriana, ary ho sambatra ny taniny
Ka ny vokatr’ireo asany, dia hanomboka ho tazana
Izay rehetra nokinasany, hahazoany fahombiazana
Valiny?
Rehefa vahoaka tonga saina, tia mifandray tanana
Miasa mazoto tsy malaina, sady tsy ory hava-manana
Tsy mifamono mifandaka, fa maneho firaisankina
Raha ireo no manjaka, dia voavaly ilay « Rahoviana »
Farany, i Madagasikara, tsy handroso sy ho tafarina
Raha mpitondra maramara, tsy manao ny marina,
No fidiana sy laniana, ka mahazo fanjakana
Satria tsy hisy fitoniana, sy fanajana ny lalàna
Rasamy