Teo eo ianareo tsy hita izay napoaka
Toa variana nampijaly ny vahoaka
Tsy eo indray vao misoratena ho anjely
Nefa dia fangoloka tsy hita velively
Naondrana daholo, ireo harena sarobidy
Na volamena, na safira, hazo sy ny biby
Eny hatramin’ny zaza amam-behivavy
Nigalabona mihitsy ianareo mianakavy
Ankehitriny, indreo fa very seza
Na dia nihevitra hijanona eo mateza
Dia mimenomenona sy mitabataba
Manenjika sy mitsikera lalandava
Politikan’ny mpanararaotra fahefana
Nofinofy izany hoe tany tan-dalàna
Izao milaza ho feno fahendrena
Nefa ange fanetriben’ny Firenena
Aiza hono hoe izay fahalalahana
Fa izao ve hono no nifanarahana?
Sokafy hono hoe ny haino amanjery
Nefa ny gazety aza teo voateritery
Dia manao taon-dasa tsy tsaroana
Satria ny Malagasy hoe be fanadinoana
Ka ireo nampidina ny firenena an-davaka
No indreo milaza fa masina mpivavaka
Manohy mihevitra ny gasy ho ampondra
“Izaho no mahay raha miverina mitondra”
Mpanao kobaka ambava sy mpilaza abobo
“Raha izaho no lany, Gasikara hiroborobo”
Nefa rahampitso mbola hahazo fitondrana
Dia hamerina tsy miato indray ireo adalàna
Izay rehetra lazaina ho tsy mety androany
Moa va tsy mbola haveriny eo ihany ?
Rasamy