Isika malagasy aloha dia tena hafa mihintsy
Raha hiteny ratsy dia tsy ankitsitsitsitsy
Voatonona daholo ity zava-drehetra ity
Ra- bory e, Ra-Lena e, ary « Kipipemty »
Isika rehefa tezitra, dia manangam-bovona
Tia miteny ratsy, sady tia manozona
Ompa vary raraka, moa va tsy olon-dia?
Tena mahasosotr’ahy ilay « Kipipemty »
Misy kosa indray dia hafahafa tsotra izao
Efa fahazarana ka zary mankalao
Angamba lasa adala, inona ary ity?
Vao misokatra ny vavany dia: « Kipipemty »
Indraindray koa anefa tena mahavariana
Fa ilay ompa indray no lasa fifaliana
Any Chine, France, Canada, États Unis
Taitra maheno tampoka ilay « Kipipemty »
Mierika satria injay ilay sioka any an-tanàna
Tsy irery aho kay aty fa misy bandy akama
Dia raikitra ny tafa, falifaly ery
Hay ve aty andafy koa ilay « Kipipemty »?
Fa misy koa ireo miavona, nefa gasy ihany
Gasy Vao Tonga hono izany miarahaba izany
Mihevitena ho zavatra indrindra fa ao Paris
Dia sahaza ho an’ireny ny « Kipipemty »
Fa ny mahazo indrindra dia ireo mpanao politika
Lazainy ho manabarabara no sady manaliaka
Na hery ankavanana na hery avy ankavia
Voaompa tsy ankijanona amin’ny « Kipipemty »
Fa ny tena mahagaga dia ilay eny an-dalambe
Tsy lahy tsy vavy, tsy kely tsy lehibe
Rehefa romodromotra iny eny ambony fiara
« Kipipemty » hoy ny feon’anjomara
Misy ny tsy faly noho ity ady rima ity
Aza vinibinitra re fa mahaiza mankafy e
Izaho tsy « manamaina » sady koa tsy « manapi »
Ka tandremo sao ompaina hoe « Kipipemty »
Rasamy