Zanahary miangatra

Zanahary miangatra

Misy miaina am-pahasambarana
Mihinana izay nisasarana
Fa misy ny entim-pahazarana
Lasa mangataka eny an-dalana

Misy miadana aok’izany
Tsara sakafo tsara Akany
Fa koa mihamitombo hatrany
Ireo farahidiny eto an-tany

Misy afa-mivavaka ampiangonana
Sy mamonjy ireo lanonana
Nefa misy ankohonana
Mbola mitrongy aloha vao homana

Misy mianjaika toy ny anjely
Raitra tsy hita velively
Jereo anefa ao Analakely
Be koa ireo lasa makorely

Misy mitety vazan-tany
Fifaliana sesilany
Fa maro koa ireo mitomany
Tsy misy atokona ambilany

Misy mpitondra manan-karena
Tsy mba mahay manetri-tena
Nefa anie ilay firenena
Toa mahantra mahonena

Misy henjana ara-politika
Ikoizana ara-tekinika
Fa ny vokatra iaraha-mahita
Farany no misy antsika

Misy hendry fa tsizarizary
Zara raha mihinam-bary
Nefa be ireo « tsy manjary »
Toa niangaran-Janahary

Rasamy

Laisser un commentaire