He tretrika aho ry tiako, fa manana anao
Lasa ankamamiako, izao rehetra izao
Toa ireo voninkazo, maniry anjaridaina
Na misy izay malazo, mamelombelon’aina
Ianao maneho fitiavana, dia adino ny tolokoko
Lasa maitso mavana daholo ny tontoloko
Ny endrikao sariaka, no sady miramirana
Manova ho botsiaka, ny zava-manahirana
Izato bikanao, tsotsotra nefa soa
Tsy afak’antsaiko ao, ilay sarintsika roa
Ilay fony vao nivady, somary nisompirana
Ny maloka nianjady aza zary toa nangirana
He izato taovolo, fibango gasigasy
Ny tava koa voakolo, madio tsy misy tasy
Ampian’ny fianjaika, tsotra nefa kanto
Famindra tsy miraika, fandeha milantolanto
Ilay toetra tia manampy, sy fo mangorakoraka
Hananao amby ampy, ho an’ireo miantoraka
Ilay hatsaram-panahy, malefaka fiteny
Tena mambabo ahy, ireny rehetra ireny
Ny adiadintsika, misy foana indraindray
Ianao mody masiaka, dia manambitamby indray
Avy eo hitako taratra, ilay miangotingoty kely
Fa te hividy zavatra, mba ho eny Analakely
Manko moa ry tiako, izay momba anao rehetra
Satriko sy iriko, tsy handalo fa hitoetra
Ny fonao ho ahy irery, aoka tsy hizarazara
Fa sambatra aho tsy miery, manam-bady tsara
Rasamy