Hafa ihany lahy ny ety ambanivohitray
Tanàna mangingina mandry fehizay
Ny havoana mifandimby amin’ny lohasaha
Na tsy paradisa aza, mba maha te hizaha
Toeram-pialantsasatra madio rivotra iainana
Manainga ny fanahy, mampitony ny fisainana
Lavitry ny tabataba, tsara kolokolo
Mamiko tsy foiko ilay ety ambanivolo
Ny tanety eny antsaha, voavoly tsisy ngazana
Ny tanimbary koa efa maintso mavana
Ampian’ny ala kininina, fakana ireo kitay
Tena tiako loatra ety ambanivohitray
Ny toerana fonenana, trano gasigasy
Voahodidina akondro, paiso, paoma, mananasy
Ny fahitr’omby koa tsy lavitra eo mazàna
Ny dokotra sy gisa no mameno ny tanàna
Tonga ny maraina, injao maneno akoho
Ny ankamaroan’ny olona efa tapitra nifoha
Hiasa eny antsaha hiava taninketsa
Miara-misalahy ny olona rehetra
Mivoaka koa ireo omby, injao misandratr’andro
Fa i Nenibe kosa mikarakara ny nahandro
Mangahazo sy vomanga no arotsaka ambilany
Izay no mba atokona hohanina androany
Rehefa tonga indray, ny mitatao vovonanana
Mihinana eny antsaha avokoa ny ankohonana
Avy eo maka aina kely, siokam-borona no re
Nahavoky ilay sakafo nentin’i Nenibe
Lasa ny masoandro, ny omby roasina hitampody
Ny ganagana kosa efa mahalala mody
Ny mpiasa tany rehetra, indreo milanja angady
Hamonjy tokantrano fa vizana avy « niady »
Maizim-bava vilany, eo amorom-patana eo
Tena tiako indrindra ny zavatra miseho
I Nenibe misoron’afo, mbola misaron-doha
Mananatra sy mitantara ny fiainany taloha
Mihinambary avy eo, miloaka pirina na anana
Tsotra ery ny fiainana fa misy hasambarana
Indraindray mba voamaina: tsaramaso, voanjobory
Voky aloha ny kibo dia lasa indray matory
Rasamy