Mikolokolo fahantrana

Mikolokolo fahantrana

Malagasy marobe no lazaina foana fa sahirana
Fa misy malagasy koa mba nahita ny mangirana
Fa mba aoka kosa re ilay fihatsaram-belatsihy
Mody mba misentosento mitsetra ireto « quatmis »

Ny olombelona rehetra dia samy manana ny anjarany
Tsy voatery hitovy koa fa samy miaina ny tantarany
Misy ireo izay niady mafy vao tafita amin’ny fiainana
Fa misy koa ny tsy tafarina, variana anaty fitarainana

Fa nahoana kosa moa ireo izay mba nahita rirany
Afaka ny fahantrany dia mba miova ny hirahirany
No tsy avela mba hifaly fa hangina tsy hiteny
Satria betsaka ny adala, ilaozany mirenireny ?

Satria ve misy ny mahantra tsy mba manana hohanina
Dia ny rehetra no hihafy tsy hihinana ho sahozanina
Satria ve any ho any misy vava tsy mba homana
Dia tokony ho noana koa ireo izay ampy fivelomana ?

Satria ve ny zaza kamboty tsy misy dada mba miahy
Dia ny ankizy velon-dray koa no asaina hangahiahy
Tsy avela mba hilomano ao anaty fifaliana
Fa satria mampalahelo iretsy miaina am-pihafiana ?

Satria misy ankizy marobe tsy afa-niatrika fianarana
Nohon’ny adalan’ny Ray sy Reniny fotsy varavarana
Dia ireo zaza tsara taiza izay nandaniana ron-doha
No tokony hipetraka hangina sao iretsy harary fo ?

Ny tena hatsaram-panahy dia mipoitra avy ao anaty
Fa tsy fitserana ivelany, nefa ny ao am-po poakaty
Samia mifaly amin’ny azony, sy mizaka izay nojinjaina
Fa tsy isan’andro izao hisentosento hitaraina

Fa n’inona n’inona atao rehefa mbola eto an-tany
Tsy maintsy misy ny mifaly, tsy ho foana koa ny mitomany
Fa ny tena mahavariana, ary hitantsika ery mazàna
Ilay mimenomenon-dava, mikolokolo fahantrana

Rasamy

(Sary fanehoana, indrana))

2 réflexions au sujet de « Mikolokolo fahantrana »

Répondre à Lova1378mahefa Annuler la réponse.