Fotoan-gasy

Fotoan-gasy

Mahazatra antsika loatra ilay tara fahatongavana
N’aiza n’aiza no hifamory, resak’asa, vangy havana
Malagasy tara lava, efa zatra moramora
Ilay mandamina tsy taitra, toy ny tsy mahalala ora

Rehefa hamonjy ilay fotoana, na maraina na hariva
Tsy dia miraika firy, tsy miainga raha tsy efa hadiva
Toy ny hoe tsy nisy akory ilay ora izay nomena
Efa miharihary loatra ilay tsy fahatsiarovan-tena

Ny mahazendana aza dia hatrany ampiangonana
Ilay fotoam-pivavahana no tara fanombohana
Mpiangona efa sasa-miandry ao anatin’ny tempoly
Ry pasitera indray no tara ka mampiditra devoly

Tsy lazaina intsony isak’ireo birao idirana
Ny fahataràn’ny mpiasa no tena zava-manahirana
Dia mamorona antony eo, na dia zavatra tsy misy
Rehefa tsy aretina mandalo, dia milaza ho tsisy « bus »

Fa ny matetika indrindra dia ilay mamonjy fivoriana
Fahataràna foana no hita, moa va tsy mahavariana
Misy ireo andrasan-dava, k’izay tonga aloha no vasoka eo
Dia antsoina ny finday, moa efa akaiky ve ‘nareo?

Lasa mahamenatra aza, ny zava-misy indraindray
Raha sendra ny vahiny efa zatra miolomay
Izy indray no avela miandry, maina sy mangasihasy
Efa mampiteny moana ilay mpanao fotoan-gasy

Rasamy

Laisser un commentaire