Hiran’adala

Hiran’adala

Raha toa lahy ny hira ka hira mivilana
Feony sy tonony tsisy mangirana
Aleo re tsy misy fa toa kitoatoa
Mampihivingivina mihitsy ny loha

Raha toa koa ilay hira ka mivalambalana
Madilo ny sofina mihaino eny an-dalana
Tsy mandrotsirotsy raha eny ampandriana
Tsy aleo ve avela fa tsy be kiriana

Tsy ilaina ny hira raha toa mahakamo
Tsy afaka akory hanala hamohamo
Tsy mampitraka raha sendra hakiviana
Dia gaga ianareo hoe be mpanakiana?

Misy mpihira  tsy manaiky lembenana
Faly hampandihy an’ity fitombenana
Tsy zava-kanto fa toa « kolombody »
Moa va tsy toy ny lamokan’atody?

Misy mpamorona hiran’adala
Terena fotsiny ho be mpahalala
Satria te halaza sy te ho « vedety »
Avy eo afa-baraka amin’ny « internet »

Rasamy

Laisser un commentaire