Anaka

Anaka

Lasa lavitra ny saiko, mandinika ny zava-misy
Mararirary koa ny aiko, nahoana loatra re indrisy
No be ny zava-dratsy mihanaka, amin’izao andro izao
Manahy mafy mihitsy aho anaka, ny amin’izato ho avinao

Raha noheverina fahiny, fa ny fanahy no mahaolona
Efa niova ankehitriny, lasa adin-tsaiko mitambolona
Feno haratsian-toetra, n’aiza n’aiza tsy ankanavaka
Izay hita sy heno rehetra, eny hatramin’ny mpivavaka

Aiza re ilay malagasy, manaja ireto Ray sy Reny
Izao ireo mangasihasy, fotsy rora raha miteny
Ary iretsy mpanabe, raha mandrara sy mananatra
Lasa fady mihitsy anie, ny mikapoka mpianatra

Ireo tsy fampiseho masoandro, mitsipaka ny zava-boary
Indreo tsy alina tsy atoandro, fa hitanao miharihary
Dia ny vavy samy vavy, na ny lahy samy lahy
Mirehareha f’hifanambady, aiza loatra ilay fanahy?

Tadidio tsara anaka, n’inona n’inona miseho
Hafamparo ny taranaka, mba tsy hanahaka an’ireo
Raha izany mantsy no lazaina, ho fandrosoana sy fivoarana
Aleo isika ho tery saina, manakatom-baravarana

N’aiza tany misy anao, dia izao ihany no tsarovy
Amin’izay rehetra atao, dia ny ho avy koa tsinjovy
Koa manàna fahendrena, tandrovy ny mahamalagasy
Dia tafio fifehezan-tena, ny fahaizan-taratasy

Rasamy

Laisser un commentaire