Ô ry zanak’Iarivo, aok’izay ny fandeferana
Mifohaza amin’izay hiatrika ny fanarenana
Ampy izay ny fandravana ireo vakoka sy lova
Efa may Andafiavaratra, toy izany koa ny Rova
Aza manaiky atao fitaovana, hahazoana fahefana
Ka Iarivonao no sorona, rava foana higagàna
Raha tsy rotiky ny afo, dia fandrobana mankalao
Ô ry zanak’Iarivo, tsy manakambo va ianao ?
Mahazendana r’Iarivo, f’efa taona maro izao
Ny mpitondra firenena aza, olona naterakao
Nefa toa ireo indray, no samy mifanenjan-tady
Tsy mahay miara-miasa, mifanongana sy miady
Ary ireo zanak’Iarivo mielim-patrana any ho any
Matetika no mihafihafy, sy matahotra aok’izany
K’isak’izay krizy teto dia hita fa miverimberina
Misy faritra hafahafa, tia mandrahona ny merina
Asa rahoviana isika, vao tena hahatsiaro saina
Fa ny fanambarana ny hery, no singa tena ilaina
Mba hampandroso an’Iarivo, renivohim-pirenena
Mila harenina amin’izay fa dia zary mahonena
Ka n’iza n’iza handrangaranga sy hiketrika adim-poko
Tsy mba hiditra amin’izany isika merina enin-toko
F’isika samy isika koa, tokony hijoro sy hiray hina
Ka ny fanarenana an’Iarivo no iraisan-tetika sy vina
Rasamy