Vahoaka jenjina sy midororororo
Mpitondra etsy andaniny sarotra atoro
Vahoaka tsy faly sy be menonenona
Mpitondra marenina saro-tenenina
Vahoaka efa zatra mpanao tatasiaka
Mpitondra mandreraka sy manaliaka
Vahoaka beloha sy tia gaboraraka
Mpitondra mampiady sy tia mampisaraka
Vahoaka tsy tia manara-dalàna
Mpitondra tampohan’ny fahefana
Vahoaka sorena tsy mety afa-po
Mpitondra tia tena sy toa ratsy loha
Vahoaka voretra sy kamo mamboly
Mpitondra efa zatra manao kolikoly
Vahoaka tsy mihinana afa-tsy vary
Mpitondra mampiesona anaty kabary
Vahoaka saozanina tsy mety matavy
Mpitondra variana amin’ny vehivavy
Vahoaka mahantra tsy manambola
Mpitondra miliba sy midoladola
Vahoaka sahirana tsy mahita ny hohaniny
Mpitondra midaroka sy mila vaniny
Vahoaka efa vizana tsy afa-matory
Mpitondra vao mainka manorisory
Firenena mahantra indrindra eran-tany
Isika rehetra no anton’izany