Namana

Namana

Misy ny namana mody mba namana
rehefa ao anatin’ny fahasahiranana
fa vao nahita izay azo ihoriranana
dia iny nilefa tsy hay nosakanana

Misy tsy namana fa lasa namana
ny fesiboky no mba ikambanana
ka na tsy misy fifandraisan-tanana
ifampizarana izay hevitra hananana

Misy koa namana lasa tsy namana
satria nanary tsikalam-pihavanana
fa tsikalam-bola no lohalaharana
dia indro nisaraka teo koa ny lalana

Fa misy namana dia tena namana
tia manome ireo tsy mba manana
tena mahafoy izay ampelatanana
f’izay mihitsy ny azy no fahasambarana

Rasamy

Laisser un commentaire