Fandrentsika ombieny ilay hoe tiako fotsiny ihany
Tsy misy hoe nahoana, tsy asiana hoe satria
Ny ahy kosa re dia tsy mba toy izany
Fa tena marobe ny anton’ilay fitia
Tiako ianao mitsiky, mizara hafaliana
Tiako koa rehefa injay mba malahelohelo
Mahay mampahery raha sendra hakiviana
Na misy zava-tsarotra toa manelohelo
Tiako ilay ianao mavitribitrika iny
Mahay mandrindra tsara ny ao an-tokantrano
Tiako tena tiako ilay fonao toy ny siny
Tokana safidy tsy mahay afa-tsy rano
Tiako ilay ianao mahay mandefindefitra
Tsy mirobaroba, mitsinjo ny ho avy
Ny fonao ihany koa tsy misy efitrefitra
Mampitovy lanja ‘reto zaza lahy sy vavy
Tsy hoe tonga lafatra ny aminao rehetra
Fa mba misy koa izay tsy lavorary
Kanefa aleo dia tsorina fa na bika na toetra
Tiako ianao satria anjara nomen’Ilay Nahary
Rasamy