Tera-bitro

Tera-bitro

Nareo efa mahantra,
tsy maha-te hiantra
satria tsy hay tenenina,
fa manao bemarenina.
Efa lazaina foana,
mila ho mandavantaona,
hoe aok’izay ilay zaza,
fa tena tsy sahaza.
Dia indreo mikiry hatrany,
manao zaza ihany,
lasa tera-bitro,
tsy mitsinjo ny ampitso.
Miteratera-poana,
efa ho isan-taona,
nefa ny eo tsy vanon-ko olona,
tsy mety mamololona.

‘Nareo tokony hisaina,
f’ilay tsirinaina anie
azonareo tsy zaraina
fa ariana an-tany maina.
Na manao kapaoty,
vao mandrotsaka kilaoty,
na fitaovana hafa koa,
mety aminareo roa.
Efa fadiranovana,
vizana torovana,
mahantra izay tsy izy,
dia miampy indray ny ankizy.
Avy eo ilay zaza tsy niriana,
fa ampijaliana.
Ireo no vokan-tsafosafo,
tsy akanjo tsy sakafo.

Dia mangatangatak’eny,
zaza mirenireny,
dia lasa tontakely,
na mivarilavo ho makorely.
Jereo ireto ankizy,
miaina ny krizy,
na ny gidro sy rajako aza
tsy mitsindrom-pako.
Izaho ve no adala,
mody tsy mahalala
ny fahorianareo,
zary mitoreo,
miantso hoe vonjeo?
Sa ‘nareo no tsy hay atoro,
fa midororororo,
tsy mora velively anie
ny mamelon-jazakely.

Rasamy

Laisser un commentaire