Ianareo mpifosafosa

Ianareo mpifosafosa

Dia lasa indray nareo fa hifosa tsisy farany
Izay fosainareo aloha dia miova koa ny anarany
Raha tsy anaram-biby dia anarana mandatsa
Mbola ho avy ny anareo ny vava tsy omby patsa

Ny olona malaza ataonareo mahita angano
Io « bandy » io mpampirafy e, mpandao tokantrano
Io « sipa » io indray lazaina fa hoe mpangala-bady
Sa ny anareo no lasany dia io manangan’ady?

Dia voafosafosa eo daholo, anaty fesiboky
Misy koa manitatra manao vavam-boloky
Na zavatra tsy misy aza dia vitany foronina
Fositra ianareo ho an’ny fiaraha-monina

Fa ny tena loza ange dia nareo  mpifosafosa
Tsy sahy miseho anarana fa olona kanosa
Nareo ve sarimbavy sa vehivavy sarindahy?
Mety manam-bika ihany fa dia  ratsy fanahy

Raha zavatra efa hita ve fa tsy mba hahasoa
Dia tohizana eny foana, nefa mety hanimba koa
Nareo ve lasa adala sa tena efa tsisy saina e ?
Nareo ve mahatanty raha toa koa mba fosaina?

Rasamy

Laisser un commentaire