N’inona n’inona efa lasa, s’izay kinendrinao anio
N’inona ihany koa kinasa dia izao no tadidio
Ny olona tsy maintsy hiteny, na ho tsara na ho ratsy
Tsy ho voasakanao ireny, f’avadiho hanjary vatsy
Mba ho vatsy enti-miady, fa tsy hampialangalana
Ka n’inona n’inona mianjady, dia tohizana ny lalana
Hisy foana hafa fijery, hitsikera sy hanakiana
Ireny indray no ataovy hery, handresenao ny hakiviana
Ny hakiviana aleo handalo, f’aza avelanao hitoetra
Dia aza heverina ho fahavalo koa ny olona rehetra
Meteza ianao hatanjan-tsaina, tsy voasakan’iza n’iza
Fadio re ny miferin’aina, ndeha izato izy mikiriza!
Mikiriza hatrany hatrany, misikîna herim-po
Ny ho tafita foana ihany, atao masaka ao an-doha
Ka na zovy no hankahala, aok’ianao tsy hisendaotra
Fa ny Tompo mahalala, ny ao amponao tsy miloaka
Rasamy