Soa fa teo i Neny

Soa fa teo i Neny

Soa fa teo i Neny,
ilay nampianatra niteny,
sy nitondra am-bohoka,
nandady sy niankohoka,
nivavaka ho an-janany,
sy ny ho avin’ny taranany.
Tsy mahalala vizana,
fa feno fikirizana.
Ka na ora fahafiry koa, na ora fahafiry,
na andro mahamay na hatsiaka hamirifiry,
dia tsy manaiky kivy fa mitsangana mikiry.
Raha iny misy fanaviana,
na anaty faharariana,
izato sombinainy.
Dia miasa koa ny sainy.
Mitady fanafody sy manafosafo,
lasa mihazakazaka mba handrehitr’afo,
manao rano mafana sy ravimboafotsy,
mandrakotra an-janany anaty bodofotsy.

Rehefa mpitovo indray ity zanany naterany,
vao mainka koa toa tsapa fa i Neny no ianteherany.
Ka raha sendra zava-tsarotra,
dia indro miady varotra :
Neny ô! misy manahirana,
tsy ahitana izay mangirana.
Dia indro koa i Neny avy tsy misalasala,
manambitamby mafy sy mamihina tsy miala,
mahita teny ambara,
mba hampahery indray ity zanaka malala.
Rehefa lehibe ka hanorin-tokantrano,
ity zaza notezaina, dia i Neny no manganohano.
Mangasihasy kely, mivavaka ao am-po :
Andriamanitra ô, tahio ny fiainan’izy roa.
Tsy mifarana eo anefa fa nony aty aoriana kely,
mbola i Neny indray no antsoina hitaiza zafikely.
Soa fa teo i Neny
Fa mampiavaka azy loatra, ireny rehetra rehetra ireny

Rasamy

Laisser un commentaire