Ray ô, tsy haiko ny hangina, tsy hisaotra ny anaranao
Nahatsiaro ho notahiana, ka tratr’izao anio izao
Amin’ny foko manontolo, misaotra Anao ry Tompon’aina
Fa feno dimy amby efapolo, izato taona raha isaina
Be ny sakana nodiavina, teny an-dalana nombàna
Maro koa fa tsy azo lavina, izany ditra sy hadalàna
Nefa ianao ry Ray Tsitoha, tsy namela ho lavo an’ady
Nanampy sy namindra fo, n’inona n’inona nianjady
Z’inona moa aho ry Ray, tsinontsinona ito akory
Bitika sy tsy mahay, fa tsy navelanao ho ory
Ka hoy aho am-pitsikiana: « Matoky aho fa tsy manahy,
atrehiko am-pifaliana, ny andro sisa omenao ahy »
Amen