Maro ny olona leiroa, tsy mionona amin’izay hananany
Fa ny harena nangalariny, heveriny ho fahasambarany
Tsy tsaroany fa ny ataony dia ho voasoratra ho tantarany
Ary ny tantara izay natombony dia tsy maintsy misy farany
Ny nenina leiroa tsarovy, tsy eo aloha hitari-dalana
F’avy ao afara mba handatsa, tsy hananam-pitsaharana
Mba tandremo ihany lahy ny toetra feno fangalarana
Ndrao ho fonja no hiafarany, io no valin-kasasarana
Ny vola anie leiroa tsy hangidy, na rahoviana na rahoviana
Fa ny azo am-pahamarinan’ihany no mitondra fitoniana
Sao ny harena izay nangonina no hivadika any aoriana
Hanjary ho vesatra miampanga, hampitondra fahoriana
Rasamy