Dada ô,
aty ampita aty ny hoe manam-pahefana
dia toy ny olona rehetra, ambanin’ny lalàna,
sady olona misaina sy manam-pahalalàna,
ka tena tsara tantana ery ilay Fanjakana.
Ny anarany tsy fampiasa hanaovana hadalana
na fitaovan-kolikoly anaty fandraharahana
ka na ny namany aza dia tsy asiany fihantràna
raha toa ka voasaringotra eny amin’ny fitsarana.
Raha toa moa meloka izy dia tsisy afaka mitàna,
fa dia mamita sazy any anaty figadrana
tsy misy hoe ndao havotana satria akama akama
fa mihinana daholo na sinoa io na karana.
Ary ny any ve ry Dada mba efa nisy fihatsarana?
…………
Indrisy anaka,
ny teo ihany no miverina fa tsisy fiovàna
ireny efa hainao ireny ihany ny hoe manam-pahefana
n’aiza n’aiza aleha eto, izay lalana hombàna
dia mirifadrifatra eny hatramin’ny Ben’ny tanàna.
Ireo mpitondra moa mandrapaka, tsisy fandraràna
ireo mihitsy indray aza, matetika, mazàna
no be fanararaotana mahatonga fahantrana,
ataony avokoa rehefa mety hoe filàna :
na Vola, Voninahitra, na Viavy dia tsy tana.
Mody mba mampiesona hoe tany tan-dalàna,
nefa gaigy lahy, mpangalatra higagàna,
izy indray avy eo no mitrerona vavàna.
…………
Aok’izay ry Dada fa mampiakatra hafanàna
rahampitso indray aho miantso, veloma ao amin’i Mama.
…………
Veloma ianao anaka,
ny aty moa miakatra isan’andro ny tosi-drà sy maripana.
Rasamy