Anaka, tsarovy tadidio
fa io hatsembohako io
dia tsy ho verivery foana
fa na amin’ny fomba ahoana
raha mbola misy azoko atao
mba hahatafita anao
dia ho efaiko foana izany
f’avelao aho tsemboka any.
Tsy hahalala vizana aho
na handany andro hitalaho,
tsy hitaraina tana-miepaka
na ho kivy hivalaketraka,
ka na ho esoina sy latsaina
fa hoe mihatra aman’aina
izato asa fivelomako,
dia ho anao no hitolomako.
Hijoro aho f’aza manahy,
tsy mampaninona ahy
ny hivoaka isa-maraina
hiasa tany maina,
miompy sy mamboly
tsy mba afa-miala voly,
ka tsy hisy tany ngazana
fa vokatra no tazana.
Ianao kosa sombinaiko
iriko sy antenaiko
fa any aoriana any
tsy ho lasa mpiasa tany,
fa tafita amin’ny fianarana
izay aho vao hanam-pitsaharana,
manko nahatafita zanaka
ilay hatsembohako anaka.
Rasamy