Manina te hody

Manina te hody

Any izay ilay raiko, ilay dadako malala
Mandroaka mora ny omby, hiditra ao am-bala
Mantsy takariva izao ny andro any an-tanàna
Izaho tsy maintsy mianatra, manovo fahalalàna

Any izay ilay reniko, mamako tsy foiko
Manokona nahandro, tsy mba ho adinoiko
Mahatsiaro ho mangingina, mitady zafikely
Izaho anefa ity mbola mpitovo manirery

Any izay ny alikako, mivovoa tsisy farany
Izaho aty andafy manembona ny anarany
Saingy indrisy mantsy, izaho aty tavela
Te hanainga mafy fa tsy mety ho afa-bela

Any izay ilay tiako sy malalako iny
Lasan’olon-kafa ve sa mbola virijiny ?
Mararirary ny aiko, tsy hitako ny atao
Manina te hody aho, te ho anilanao

Rasamy

Laisser un commentaire