Misy hono eto Imerina
vehivavy noheverina
ho hendry sy mpivavaka,
tsara toetra miavaka.
Kanjo hay toa fositra
tena mampandositra,
satria ivelany ihany
izato bika sy hatsarany.
Fa ny ao anatiny ao
aoka ambara tsotr’izao
fa dia manalasala
satria vehivavy adala.
Toa anjely mielinelina
hay vehivavy makorelina.
Misy hono eto Imerina
lehilahy mba noheverina
ho modely tia vady
diakona isak’alahady.
Kanjo fahagagana
fa ery Tsaralalàna
rehefa injao mamantonalina
mila zazavavin’ny alina.
Toy ny hoe tsy mba maditra
fa mahay mipitrapitra
rehefa atoandro imason’olona.
Kanjo, hay bandy mpitolona
mpitady vehivavy mijoro andalam-be
mpividy ikoizana ny elakekam-pe
Dia toy izany hatrany
ny olombelona eto antany
N’aiza n’aiza izany
fa tsy eto Imerina ihany
Misy toetra miafina any ambadika any
Ny honohono koa anefa tsisy fiafarany
Rasamy