Amiko dia ny Antsa an’i kristy no anisan’ireo tarika ara-pilazantsara voalohany nanova ny fomba fihira sy fanao amin’ny asa fitoriana an-kira mba ho maoderina sy raitra teto Madagasikara. Izy ihany koa no nanomboka ny fanaovana fampisehoana ara-pilazantsara manara-penitra nahafeno kianja kanefa misy vidim-pidirana, toy ireny mpanakanto malaza rehetra ireny teto Antananarivo.

Nanomboka teo dia betsaka ireo mpanakanto ara-pilazantsara nanaraka azy ka niezaka namorona zavatra tsara, azo henoina amin’ny maha mozika azy fa tsy tabataba fotsiny tsisy farany, sady tsisy feony no tsisy fandrindrana ara-mozika mba tena mipetraka.
Arak’izany, toy ny mahazatra dia fatratra loatra ny fampisehoana nataon’ny Tarika Antsa an’i Kristy ny alahady lasa teo tao amin’ny kianjan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena tao Mahamasina. Sehatra tsotra dia tsotra tsy misy haingitraingitra be, fiakanjo maotina nefa mihaja, fanamafisam-peo matanjaka tsara, hira mirindra tsisy kianina, fampisehoana mitohy tsy nisy fiatoana nandritra ny ora roa sy sasany mahery. Tamin’ny telo folak’andro ny ora nifanomezana, ary tamin’ny telo ora latsaka telo minitra no nanomboka ny fotoana.

Nisesisesy ireo hira malaza nahafantarana ny tarika hatramin’izay. Tehaka mirefodrefotra hatrany no nandraisan’ny mpijery ny hira ary dia miara miredona ny rehetra, narahin’ireo mpitendry matihanina tanteraka. Teny antenantenany teny dia nisy ny Soradihy nataon’ny tanora avy ao @ FJKM Ambohipo nandravaka ireo hira. Raikitra hatramin’ny dihy madinidinika nataon’ny mpijery tery ankianja vokatry ny mozika sy fanentanana mafana dia mafana.

Etsy andaniny, ny olona mpivavaka sasany izao mety hanome tsiny hiteny hoe, inona ity mandihy be ity, satria tsy mahazatra azy. Etsy ankilany kosa, ireo tsy kristiana vao maheno fotsiny izy hoe mpihira ara-pilazantsara dia mety tsy ho voasarika amin’izany mihitsy ary mety ho sorena aza.

Izaho kosa mahatsapa fa ny fampisehoana toy ireny dia tsy vitan’ny fahafinaretan’ny maso sy ny sofina ary fialam-boly, fa mampisy fihetseham-po mitondra hafaliana ao anaty. Mampisy fientanam-panahy ihany koa ireo tonon-kira izay misy ventiny, ka mety hanadinoina na anaty ora vitsy ihany aza izay mety ho harerahana sy adin-tsaina isan-karazany. Misaotra ny Antsa an’i Kristy. Dia amin’ny manaraka indray.

Une réflexion au sujet de « Antsa an’i Kristy, tsotra nefa kanto »