Taorian’ny Antsa an’i Kristy dia anjaran’ny Joseph d’Af indray no nanao fampisehoana tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo teto Antananarivo. Saingy tsy tao amin’ny kianjan’ny fanatanjahantena sy kolotsaina izany fa tao Antsahamanitra. Azo lazaina ho feno ny sehatra maintso tao Antsahamanitra. Ity lanonana ity moa dia nokarakarain-drizareo avy ao amin’ny Sampana Foibe Tanora Kristiana METM.

Aorian’i Rija Rasolondraibe dia i Joseph d’Af koa no mpanakanto ara-pilazantsara mandeha irery nefa mahafeno kianja toa an’Antsahamanitra. Tsy mena-mitaha amin’ireny mpanakanto malaza miaka-tsehatra eto Iarivo ireny ny zavatra asehony.

Tamin’ity indray mandeha ity dia nanokatra ny fampisehoana ny tarika TGC izay fantatra amin’ireo karazan-kira maredona ventesin’olona maromaro ka manome feo mirindra isan-karazany. Hira mihetsiketsika no tena nataon’ny TGC ka avy hatrany dia nampiakatra ny hafanàna nahatafiditra tanteraka tao anaty lanonana ny mpijery.

Horakorakoka tsy misy toy izany kosa avy eo no nandraisan’ny mpijery an’i Joseph d’Af. Mbola tanora dia tanora moa ny tovolahy. Ary azo lazaina fa tanora dia tanora ihany koa ny ankamaroan’ireo mijery tonga mankafy ny fampisehoana ataony. Sady mandihy, no mihira, no mihorakoraka sy mitabataba ireto tanora mpakafy azy ireto.

Nisesisesy avy hatrany ireo hira malaza nahafantarana azy toy ny « Anton’ny nihirako », « Maripanan’ny fiderana », « Ampandroso ahy », « Tompon’ny teny farany », sns. Azo lazaina ho nalai-nisaraka ny rehetra rehefa hifarana ny lanonana, saingy tsy maintsy mirava moa fa amin’ny manaraka indray manao misimisy.
