Manjakaray, fantatrao ve?

Raha mamaky ny Blog de Rasamy ianao dia hahita ireo toerana fitsangatsanganana mahafinaritra eto Madagasikara. Eto amin’ity bilaogy ity indray dia mba tanàna hafa tsy fanaovana fizahan-tany indray no tantaraina eto. Ka hanombohako izany dia ny tanàna nandaniako ny fahazazako sy ny fahatanorako ka ireharehako dia tsy aiza akory izany fa ao Manjakaray na antsoina koa hoe « Dakar ».

Matetika raha vao maheno izany hoe Manjakaray izany ny olona dia tanànan’ny mpanendaka no ao an-tsainy. Tsy fantany anefa fa mba misy olona manana ny mahaizy azy koa avy amin’izany tanàna izany. Nisy ohatra praiminisitra iray nandritra ny taona maro tamin’ny Repoblika faharoa avy ao Manjakaray. Nisy ihany koa ny minisitra sy senatera avy ao.

Fa ny tena mampiavaka an’ny Manjakaray dia ny fisian’ny FTM na firaisan’ny tanoran’ny Manjakaray, izay ekipa mpilalao baolina lavalava nikoizana tokoa hatrizay ary efa tompon-dakan’ny Madagasikara amin’izany izany sehatra izany. Betsaka ny mpilalao tao amin’ny FTM no efa niaro ny voninahitry Madagasikara t@ io taranja io tao anaty ekipam-pirenena.

Fa ny vitsy mpahalala koa dia tao Manjakaray no nipoiran’ilay Maritiora Malagasy malaza dia tsy iza akory izany fa i Rasalama. Nonina tao Manjakaray ny fianakaviany ary mbola ao hatramin’izao. Fantatsika fa tamin’ny andron’i Ranavalona I dia mafy dia mafy ny fanenjehana ny fivavahana kristiana teto Madagasikara. I Rasalama anefa dia tsy nety nijanona tamin’izany fivavahana izany. Ka nampiavaka azy ny fiafenana tao anaty zohy tao Manjakaray akaikin’ny toeram-ponenany rehefa hivavaka. Natao tsangam-bato io zohy io taty aoriana ka mbola hita ao mandrak’ankehitriny.

zohy2.jpg

Rehefa tsy nety niova i Rasalama dia nosamborina ary natao toy ireny andevo ireny. Rehefa tonga anefa ny andro alahady dia tsy nety niasa izy satria natokany ho andro fivavahana ny alahady. Tezitra noho izany ny mpampiasa sy ny fanjakana satria noraisiny ho mpikomy i Rasalama ary dia nentina niakatra teny Ambohipotsy izy mba ho vonoina.

Teny an-dalana rehefa nentina ho vonoina izy dia tsy nitsahatra nihira i Rasalama ary ny hirany dia ilay hoe « Hitako izao ny lalan-tsara ka izorako, azoko ny famonjena ka ho tanako, … ». Araka ny voalazan’ny lovan-tsofina dia nolefonina teo Ambohipotsy i Rasalama ary navarina tany anaty hantsana avy eo ny fatiny izay tsy mba norakofana akory. Tamin’ny taona 1837 no nitranga ny famonoana azy. Izany hoe 180 taona lasa izao.

zohy1

Fiangonana maro no mitondra ny anarany ankehitriny fa ny roa anisan’ny lehibe indrindra arak’izany dia ny FJKM Rasalama Maritiora Manjakaray sy ny FJKM Rasalama Maritiora Ambohipotsy. Koa satria moa ny Anglisy no nampiditra ny fivavahana protestanta teo Madagasikara izay narahin-dRasalama, dia misy ihany koa tsangam-bato mitondra ny anarany ao amin’ny fiangonana iray ao Brunswick any Angleterre.

Laisser un commentaire