Ny fasana eto Imerina, fantatrao ve ?

Ity lahatsoratra ity dia vokatry ny fikarohana fohy manokana tamin’ny boky sy lahatsoratra isan-karazany, sy avy amin’ny resaka nifanaovana tamin’ny olon-dehibe teny ambanivohitra ary nohon’ny zavatra hitan’ny masoko ihany koa. Manasa anao ary hamantatra ny momba ny fasana sy ny fanamboarana azy eto Imerina.

Ny Fomban-drazana isan-karazany

Amin’ny ankapobeny teo amin’ny malagasy teto Imerina dia misy foana ny fanantonana « Mpanandro » rehefa hanao fasana vaovao, ka izy no manondro ny andro hanombohana ny asa fanamboarana satria dia miankina amin’ny « Vintana » ilay andro ary dia misy koa ny andro na vaninandro fady. Tsy mety ohatra ny manamboatra fasana mandritra ny vanim-potoana fambolem-bary na mampiteraka ny vary. Misy kosa ireo andro lazaina fa tsara mba ho fanombohana ny asa toy ny andro alarobia sy zoma ohatra. Toy izany koa ny ora fanombohana ny asa izay voalaza fa tokony ho amin’ny hariva na alinalina mihitsy aza.

Ankoatra izay dia anisan’ny asan’ny « Mpanandro » ihany koa no manondro ny toerana tsara tokony hanorenana ny fasana. Misy arak’izany toerana fady hanorenana fasana toy ny hoe eo Antsinanana na eo Avaratry ny tanàna. Amin’ny ankapobeny dia amin’ny toerana takotakona ao Atsimo Atsinanana na Atsimo Andrefan’ny tanàna no fanorenana ny fasana mba tsy ho tazana na dia ny aloky ny fasana aza.

fasana.JPG

Rehefa hanomboka ny asa fanamboarana dia ny zokiolona indrindra no misantatra manatsatoka ny angady voalohany. Mandritra io fotoana io ihany koa ny « Mpanandro » no manao sorona ka manapaka lohan’akohovavy efa nanatody ary mandraraka ny ràny amin’ny toerana isan-karazany manomboka eo amin’ny toerana hisy ny varavaram-pasana.  Ararany amin’ireo antsoina hoe « Marim-pasana » na ny mariky ny zorom-pasana sy ny fototra izany avy eo.

Rehefa akaiky ho vita ny fasana dia ajanona aloha ny asa fanamboarana fa tsy vitaina hatramin’ny farany raha tsy efa misy maty ka sanatria ilay hoe « maika hahavita fasana ». Voalaza aza fa tsy azo atao ny mamita fasambao ao anatin’ny herintaona fa tokony mihoatra an’izay ny fe-potoana fanamboarana azy. Mandritra ny fanamboarana ny fasana dia misy sakafo fady tsy azon’ny fianakaviana hohanina toy ny voan-kena.

Teo amin’ny Ntaolo dia matetika misy avy hatrany ny famadihana rehefa mahavita fasam-bao. Ka sady mamono omby na mihinana vary be menaka hoy ny fiteny mahazatra no manao fety be ny iray tanàna amin’ny alalan’ny dihy sy mozika arahina sodina, amponga ary lokanga.

IMG_7816.jpg

Mandritra ny famadihana dia asiana razambe na razana avy amin’ny fianakaviana izay efa milevina any amin’ny fasana taloha ao anatin’ilay fasam-bao. Misy  ihany koa ny tsy mamindra razana fa vatan’akondro no atao solom-paty ao anaty  fasam-bao. Misy aza isaky ny farafara no asiana vatan’akondro.

Endriky ny fasana sy ny ao anatiny

Ny vato izay atao tafon’ny fasana no antsoina hoe « rangolahy », ary ny varavaram-bato kosa no antsoina hoe « ringom-pasana ». Misy refy tsy maintsy arahina ireo ary tsy maintsy ny lehilahy no mibata azy ireo. Amin’ny ankapobeny dia tsy maintsy mihoatra ny 2 metatra ny halalin’ny fasana any ambanin’ny tany ary roa metatra sy sasany mahery  kosa ny hahavony ambonin’ny tany.

Misy ireo tany izay tsy azo hanorenana fasana toy ny hoe eo amin’ny vavan-dohasaha, na eo amin’ny tany malemy. Izany hoe raha ny marina dia tokony ho eny an-tampon-kavoana no misy ny fasana ka lavitry ny rano na loharano. Mitodika miankandrefana somary mianatsimo ny varavaram-pasana satria dia io no manondro ny masoandro mody, toy ny hoe manondro ny fiafaran’ny olombelona amin’ny fahanterany mankany amin’ny fahafatesana.

masoandro_mody.JPG

Raha vao mivoha ny varavaram-pasana, dia misy tohatra kely midina mankao anatiny ka amin’ny lafin’drindrina telo no misy farafara vato izay mety manao rihana vitsy na maro. Eo amin’ny farany ambany amin’ny tany kosa no misy ny antsoina hoe « Fandrian’omby ». Eo no fametrahana faty lena na faty vao alevina. Miakatra eo ambony farafara vato iny razana iny avy eo rehefa misy razana vaovao miditra, dia toy izay hatrany.

Misy koa anefa no manao lavaka mihitsy eo amin’ny toeran’io « fandrian’omby » io. Ao amin’ity fasana hitanao amin’ny sary ity izao dia toy ireny sarona « dalle » ireny no manarona ilay lavaka. Ny anton’io lavaka misarona io dia raha sanatria ka misy razana roa mifanaraka dia afaka sokafana foana ny fasana satria ao anaty lavaka ilay razana nalevina voalohany.  Tsy atao simenitra moa ny fanambanin’io lavaka io fa atao saribao ohatra mba hampitsiaka sy hanala fofona haingana ny ao am-pasana.

photo 4.JPG

Fomba amam-panao ankehitriny

Betsaka amin’ireo fomban-drazana voatanisa ery ambony no tsy arahin’ny olona intsony  ankehitriny, ka maro mihitsy aza amin’izao fotoana izao ny fianakaviana manorina fasam-bao no manomboka izany amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana kristiana. Tsy misy intsony ny mpanandro eto.

Rehefa vita ny fasana dia atao ny fanokanana ary dia amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana ihany koa no hanaovany izany. Tsisy ihany koa ny hira gasy sy mpitsoka Mozika fa dia fety arahin-javamaneno maoderina toy ireny fanokanan-javatra isan-karazany ireny ihany. Fa dia mety misy ihany kosa ny sakafo vary be menaka natokana ho an’ny olona nasaina.

fasana2.JPG

Fa na fomban-drazana na fivavahana no arahina dia tsy maintsy ny Ben’ny tanàna sy ireo mpanampy azy miaraka amin’ny Mpitsabo ao an-toerana no manao ny fitsaràna ny fasana sy manome ny laharan’ny fasana na « Immatriculation ». Rehefa vita io vao mahazo mampiditra razana ao ny fianakaviana.

Amin’izao fotoana izao moa dia efa vita amin’ny rari-vato tsara tarehy avokoa ny ankamaroan’ny fasana. Fahiny kosa dia dongon-tany na vita amin’ny tany ny fasana amin’ny endriny ety ivelany, fa misy hatrany kosa ny varavaram-bato sy ny farafara vato ao anatiny. Ireny karazam-pasana ireny no antsoina hoe « sangam-pasana ».

Farany, anisan’ny mampiavaka ny eto Imerina ihany koa ny fisian’ny Fasan’Andriana, izany hoe ireo mitonona ho taranak’Andriana sy taranak’ireo Mpanjaka fahiny. Ho azy ireo indray dia miavaka ny fasany amin’ny fisian’ny « Tranomanara » na « Tranomasina » eo amboniny. Amin’ny fasan’Andriana sy Mpanjaka izay efa niorina ela dia anisan’ny mampiavaka azy ihany koa ny fahasarotana lalina amin’ny fomba famahàna ny fasana. Matetika dia misy tany an-taoniny maro aloha esorina vao afaka mivoha ny varavaram-pasana. Ary dia izay angamba no nahatonga ilay fitenenana hoe « Afenina » fa tsy apetraka rehefa ny Andriana no miamboho .

IMG_6104.jpg

Fanamarihana : Ireo sary rehetra hitanao ato anatin’ity lahatsoratra ity dia sary nalaiko teny rehetra teny, nataoko eto mba nampihaingoina ny lahatsoratra fotsiny ihany.

Laisser un commentaire