Menatra aho

Menatra aho

Menatra aho mahita
ireto zanantsika
fa na eto na any ampita,
ka mba mahay taratasy
dia tsy miteny malagasy.
Hany ka mangasihasy
ny Raibe sy Renibeny
sadaikatra hiteny
izay mba ao am-pony
satria tsisy hainy intsony
izay lazain’ireto zafikeliny.
Mantsy hafa ny fiteniny.

Menatra aho mahita
izato tanindrazantsika
mahantra farahidiny
mizaka izato ngidin’
ny fitiavan-tena
sy fangoron-karena
ataon’ireo tsivalahara.
Ka ny zanaka amam-para
dia tsy hahita intsony holovaina
afa-tsy ireo vola notrosaina
izay hobabeny sy hoziogainy
mandram-pialam-pofonainy.

Menatra aho mahita
ity tanànantsika
tsisy fivoarana
fa dia miverin-dalana.
Tsy mba nahay namindra
fa na ny aretina mifindra
izay tokony ho foana
efa ho roanjato taona
no indro mipongatra indray
satria mpitondra tsy nahay
sy vahoaka tia maloto
no eto antanim-babakoto

Rasamy

2 réflexions au sujet de « Menatra aho »

    1. Raha ny marina tsy voatery hoe ratsy ilay babakotoland. Eto @ ity tononkalo ity izy izao tsy voatery hoe ratsy satria Mkara no hany firenena misy babakoto na Indri indri. Nopotehintsika izany ny tanin’ny babakoto. Izay no tena hevitr’ilay teny eto.

      J’aime

Laisser un commentaire