Mitaraina re ny tany
fa toa tsisy fiafarany
izato kiaka sy tomanin’
ireo very tanindrazana.
Satria dia nogiazan’
ireo mpangalatra daholo
izay tany maitso volo,
eny hatrany ambanivolo.
Mody odiany tsy hita akory ireo vahoaka nanajary
fa na tanety, tanimboly, taninkazo, tanimbary
dia ampiasainy ny hafetseny
ka bodoiny sy fefeny.
Eny alainy ankitsirano.
Azerany aza moa ny trano.
Tena tsy hananany hantra
ka na mijaly sy mahantra
tsy mba manan-katenaina,
dia vonoina sy ratraina
raha mba mitsangana miady
ny tsy rariny mianjady.
Tena loza ity manjo,
fa mila hahavaky fo
ny mahita ireto ankizy
mangorona ireo valizy
manampy ireto ray sy reniny
noroahina ankeriny.
Tsy mba manana safidy,
satria voalaza fa namidy,
tsy mba nisy fieràna,
ilay lova iray tanàna
mba navelan’ireo razany.
Miaramila indray no tazany.
Misambotra sy manafay
sady managadra indray.
Tsisy mpihaino ny antso vonjiny.
Misy aza moa ny teny ankodiny
no hany azony nalaina
tena mihatra aman’aina.
Ka ny sisa fanafody?
Miantso ozona sy tody.
Rasamy
(Sary fanehoana, nindramina)