Raha mbola velona ny aina
Dia tsy ho foana ny taraina
F’izao foana atao an-tsaina
Ny ho avy tsara no andrandraina
Raha mbola misy ny maraina
Manàna zavatra antenaina
Mitsangàna aza malaina
Ny herim-po no tena ilaina
Raha mbola misy sombinaina
Azonao karakaraina
Miderà Ilay Tompon’aina
Fisaorana Azy hirahiraina
Rasamy